Tagnamaro volana oktobra: Anjozorobe no safidin’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina

  • 16 octobre 2021
Tany Anjozorobe no nosafidian’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina hanatanterahana ny hetsika tagnamaro tamin’ity sabotsy fahatelo amin’ny volana oktobra ity. Narenina sy nohavaozina ny tranon’ny Minisitera misahana ny serasera teo aloha izay efa potika tanteraka, ary havadika ho ivontoeran’ny kolontsaina any an-toerana. Niara-nisalahy tamin’ireo mponina tany an-toerana ny minisitra Andriatongarivo Lalatiana sy ny mpiara miasa aminy.
Nifanindran-dalana tamin’izany ihany koa ny tagnamaro nifarimbonan’ny mpiara-miasa eo anivon’ny minisitera sy ny mponina ary ny tomponandraikitra eo anivon’ny boriborintany fahefatra tetsy amin’ny maternité Befelatanana. Nolokoina ny rindrina ary nohatsaraina ny zaridaina, nodiovina ihany koa ny manodidina ny hopitaly.
Hetsika fanao isaky ny sabotsy fahatelo amin’ny volana ny tagnamaro, izay tafiditra indrindra ao anatin’ny politikam-pirenena momba ny kolontsaina ary nankatoavin’ny parlemanta roa tonta ny volana jolay lasa teo. Tanjona ny hahatsapan’ny olompirenena tsirairay ny lanjan’ny soa iombonana sy ny mahasarobidy izany ka ho saro-piaro amin’izy ireny. Eo koa ny hamerenana ny soatoavina sy kolontsaina maha-malagasy toy ny valin-tanana .
Partagez :
Mahandry