TAFIKA Malagasy: Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ireo jeneraly 27 vao nahazo laharam-boninahitra

  • 26 février 2024

Nisy ny fampiakarana galona teo anivon’ny minisitera delege misahana ny zandarimaria androany 26 febroary. Jeneraly 6 no nanpiakarina ho,” général de brigade” ary 4 ho ” général de division”. Nontontosaina teny Ampahibe araka izany ny fanolorana ireo Jeneraly nahazo laharam-boninahitra 27 avy amin’ny TAFIKA Malagasy.

Anisan’ny teboka lehibe mahatonga amin’izao laharam-boninahitra izao ny fananana fitondra-tena mendrika sy ny mahaolon-kendry.Ohatra amin’izany ny maha alavitry ny kolikoly ary ny mampamiratra azy eo amin’ny asa sahaniny hoy ny minisitry ny Foloalindahy, ny general de corps d’armée, Monja Delphin Sahivelo. Mifanindry andalana amin’ny fanatanterahana ny politika jeneralin’ny fitondram-panjakana ny fahazoan’ireto manamboninahitra ireto galona.

Manana andraikitra manampy amin’ny fanatanterahana ny andry telo iankonanio politikam-panjakana io ireto Jeneraly ireto dia ny fampiroboroboana ny mahaolona, ny fampiroboroboana ny famokarana, fametrahana fanjakana tsara tanatana ary ny ady Amy kolikoly hoy kosa ny minisitra misahana ny zandarimaria, ny general de corps d’armée , Andriantsarafara Rakotondrazaka Natao hiaro ny andrimpanjakana mijoro ary tokony ho modely eo anivon’ny miaramila rehetra ary eo anivon’ny vahoaka Malagasy ny manam-boninahitra

Partagez :
Sissie Raveloson