Tafika malagasy: nampahafantarina androany ny “Fari-piarovana sy Filaminana IKOPA” na ZDS 

  • 4 octobre 2021

Iray amin’ireo Fari-piarovana sy Filaminana vaovao napetraky ny fanjakana malagasy ny ZDS (Zone de Défense et de Sécurité) IKOPA, izay hisahana ny faritra Analamanga amin’ny fampandriana fahalemana ireo distrika sy kaominina mandrafitra azy. Ny jeneraly Saifoudine Nandrasana no kaomandy voalohany iandraikitra ny ZDS IKOPA .

Tafiditra ao anatin’ny fanitsian-drafitra eo anivon’ny Tafika malagasy, miisa folo (10) ireo ZDS napetraka manerana an’i Madagasikara. Nambaran’ny minisitry ny fiarovam-pirenena ny jeneraly Rakotonirina Richard nandritra ny fampahafantarana izany tetsy amin’ny Carlton Anosy, fa anio hariva ihany dia efa hirotsaka an-tsehatra, eny amin’ireo faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana ireo andiana miaramila nampandraiketana izany.

Haja.

Partagez :
Mahandry