Tafika malagasy : miaramila 124 nahavita fiofanana ho matihanina teny Langaina

  • 29 décembre 2023
Miaramila avy amin’ny Tafika an-tanety, ana habakabaka ary an-dranomasina, miisa 124 no nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny 28 desambara 2023 tao amin’ny ivon-toeram-piofanana eny Langaina rehefa nahavita fiofanana fototra ho miaramila matihanina sokajy « Infanterie » nandritra ny 11 volana. Natolotra azy ireo ny « Brevet Militaire Professionnel Élémentaire » (BMPE). Nomena mari-pankasitrahana koa izay mendrika indrindra nandritra ny fiofanana.
Hiverina any amin’ny “Bataillon” misy azy avy ireto vita fiofanana ireto ary hampihatra ny fahaiza-manao norantoviny.
Nitarika ny lanonana ny komandin’ny « Corps d’administration des Personnels des Services Administratifs et Techniques » (CAPSAT), ny Kolonely Randrianiaina Radison Fanomezana Tonga nanome voninahitra ity lanonana ara-miaramila ity ny Mazaoro Jeneralin’ny Tafika, ny Amiraly Assany Bemarivo Jeannot, nisolo tena ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika
Partagez :
Romuald