Tafatsangana ao Mahajanga ny birao vaovaon’ny ASH « Autorité Sanitaire Halieutique ».

  • 30 novembre 2023

Tontosa soa aman-tsara ny asa fananganana ny birao vaovaon’ny ASH ao Mahajanga, ivon-toerana iray  manao ny fikirakirana momban’ny fanondranana entana rehetra mifandraika amin’ny jono miainga avy eto Madagasikara mankany ivelany . Marihina fa 11 no isan’ity ivon-toerana ity eto Madagasikara.

Ho an’ity ao Mahajanga ity dia fikirakirana manokana mahakasika ireo sambo izay miasa amin’ny tontolon’ny jono, ireo antontan-taratasy amin’ny resaka fanondranana entana amin’ireo orinasa misehatra amin’ny jono no andraikiny.

Heverina fa zava-dehibe ny fisiany ka hitondra fanovana  eo anivon’ny MPEB amin’ny alalan’ny  fiaraha-miasa amin’ireo  mpiara-miombon’antoka rehetra.

Tonga nitsidika izany teny an-toerana ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena manga Mahatante Paubert sy ireo tompon’andraikitra miasa anatin’ity ivontoerana ity.

Partagez :
Mahandry