Sokatra miisa 1076 sy varika 48 sarona tany Thaïlande : malagasy 4 ao amin’ny Fadin-tseranana voasambotra

  • 4 mai 2024

Sokatra miisa 1076 sy varika 48 avy aty Madagasikara sarona tany Thaïlande ny 1 mey teo : efa voatazona am-ponja vonjimaika ireo voarohirohy, mitohy eto an-toerana ny fitadiavana sy fisamborana  ireo malagasy mpiray tsikombakomba amin’ity raharaha ity.

Olona miisa 6 no voarohirohy tamin’izany ary efa voatazona am-ponja vonjimaika any an-toerana amin’izao. Ho an’i Madagasikara dia olona 4 no efa voasambotra ao amin’ny fadin-tseranana . Efa misy koa ny olona fantatra fa tomponantoka ary misy porofo izany, hoy ny minisitry ny Tontolo iainana sy  ny Fandrosoana lovainjafy androany nandritra ny famoriana panao gazety teny Antsahavola.

Nalaina an-tsokosoko taty Madagasikara ireo varika sy sokatra ireo ary nentina tao  Sumatra Indonésie  mialoha ny nitondrana azy ireo tamin’ny sambo tany Satun, faritanin’i Thaïlande, izay saika mbola entina tany Hong Kong. Nojerena avokoa ny fanondranana tamin’ireo toerana ahiahiana. Efa nisy fanadihadiana ary mbola mitohy izany. Hatreto mbola tsy fantatra mazava ny nahatongavan’ireo biby ireo tany Thaïlande fa fantatra kosa fa niainga teto ary niato tao Indonesie ireo biby.

Biby efa ho lany  tamingana ireo biby ireo.

Tafiditra amin’ny annexe 1 amin’ny fifanarahana Cites izay milaza fa raràn’ny lalàna ny fanondranana antsokosoko sy ny famarotana ireo biby ireo. Tsy maintsy manao fanadihadiana ny fanjakana malagasy araka izany, amin’ny alalan’ny mpitandro filaminana eny anivon’ny sampana isan-tsokajiny. Efa nisy tranga toy izany tamin’ny volana novambra izay efa niaraha-miasa tamin’ny firenena hafa amin’ny famongorana ny tambazotra.

Lesoka ny fiambenana ny sisin-dranomasina satria mbola mila hatsaraina ny fitaovana ahafana manara-maso feno sy tsy tapaka ireo sisin-tany rehetra eto Madagasikara. Efa misy ny fanatsarana natao fa mbola tsy ampy izany, anisan’izany ny fampiasana « drone » manara-maso tsy tapaka. Ny sambo eo amin’ny fiantsonana vao mahazo ny alalana, maro koa anefa ny sisin-dranomaina tsy misy olona sy tsy misy mpanara-maso.

Mpikambana ao amin’ny Cites i Thaïlande, tafiditra ao anatin’ny fifanarahana ny fampodiana ireo biby ireo. Misy koa ny fifanarahana sy fiaraha-miasa amin’ny polisy amin’ny famerenana ireo biby ireo. Tsy ekana raha tsy tafaverina eto an-toerana ireo biby ireo ary efa nanaiky i Thaïlande ny amin’izany.

Mampitandrina ny tambazotra ny minisitera sy ny tomponandraikitra fa tsy maintsy ho tratra ary tsy maintsy horavaina hatramin’ny fakany ny tambazotra. Hamafisina ny  »contrôle forestier » ary efa misy ny adisisika atao mba hampitomboana ny olona sy ny fananana ireo fitaovana ampiasaina.

Tsiahivina, mpiasan’ny minisitera any amin’ny faritra no efa voatsatoka antsy vokatry ny fanenjehana ireo mpitrandraka ireo tamin’ity herinandro ity. Midika izany fa tsy mipetra-potsiny na ny mpiasa na ny fanjakana, ary ilaina ny fiaraha-misalaha amin’ny vahoaka izany.

 Sazy mihatra: mitohy ny politique « tolérance zéro ».

Misy ny lamandy sy ny fampidirana am-ponja aman-taonany miampy lamandy 300 tapitrisa Ariary. Maro koa ny lalàna mifanaraka amin’izany ary hampiaran’ny Fitsarana ny sazy mifanaraka amin’ny heloka izay natao.

Miara-miasa akaiky amin’ny Fadin-tseranana ihany koa ny minisitera. Ezaka ataon’ny fadin-tseranana: fisian’ny BSN ahafahana manaraka ny sambo mifamezivezy.  Tanjona ny ahafahana mahafantatra ny lalana alehan’ny sambo mifamezivezy indrindra eny amin’ny toerana tsy misy mpanara-maso.

Miisa 148 ny trangana fanondrahana tsy ara-dalàna tratra tamin’ity taona 2024 ity, raha ny tarehimarika nampahafantarin’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoa lovainjafy, Andonirina Max Fontaine hatrany.

319 kosa ny sokatra tratra, ary gidro miisa 6 miampy olona 207 no nosamborina hatramin’ny fiandihan’ny taona. Misy malagasy, aziatika, eropeanina, afrikanina, sy tera-tany vahiny hafa amin’ireo olona tratra amin’ny fanondranana harena voajanahary.

Mbola mitohy ny ezaka, ary nampanantena ny minisitera fa tsy maintsy hofongorina hatramin’ny fakany ny tambazotra amin’ity fitrandrahana tsy ara-dalàna ity. Azo atao koa ny miantso maimaimpoana ny 955, izay  laharana maitso raha toa ka misy fitrandrahana antsokosoko, na tranga mampiahiahy eny anivon’ny fiaraha-monina.

Partagez :
Nirinasoa Tafita