Sofia : mpanakanto 27 notolorana mariboninahitra

  • 12 septembre 2022

Mpanakanto miisa 27, anisan’ireo mamiratra ao amin’ny faritra Sofia, no notolorana mari-boninahitry ny Kanto, ny Soratra ary ny Kolontsaina, nandritra ny fandalovan’ny minisitra misahana ny Kolontsaina, Andriatingarivo Lalatiana, tany an-toerana.

Sangany amin’ny gadona ”Malesa”, ”Bahoejy”, ”Sanadera”, “Salegy”, ”Osika” na ”Antosy”, izy ireo. Anisan’izany i Din Rotsaka, Tianjama, Jean Rigot, Sisca, Vaiavy Chila, Dadi Love, Baohejy, sns…

Peut être une image de 3 personnes, personnes debout et intérieurTsiahivina fa manohy hatrany ny fanatsarana ny sehatry ny Kolontsaina ny minisitera misahana izany, amin’ny alalan’ny fandaharanasa isan-karazany sy ny fanomezana fotodrafitrasa azon’ny mpanakanto hampiasaina, hanaovana fampirantiana sy fampisehoana hisehoan’izy ireo sy ny sanganasany.

Manohy koa, ny fifampidinihana ho an’ny famolavolana ny didy fampiharana ny politikam-pirenen’ny Kolontsaina izay hamaritra ny satan’ny mpanakanto, ahafahan’izy ireo misitraka ny fiahiana ara-tsosialy.

Ankoatra izay, efa miroso amin’ny fanaovana karatra maha matianina ho an’ny mpanakanto sy ny fanavaozana ara-drafitra, ahafahan’ny mpanakanto mivelona amin’ny kantony ny minisitera. Amin’ny alalan’ny fampiasana rindram-baiko manokana ahafahana mamantatra ny fampiasana ireo sanganasany.

Partagez :
Mahandry