Social

Soanierana Ivongo: trano miisa 21 no lasan’ny ranomasina

 Antananarivo, 22 aprily (DDIT): Trano miisa 21 no lasan’ny ranomasina, ary 81 ireo olona traboina ao Soanierana Ivongo vokatry ny fiakaran’ny ranomasina tany an-toerana. Tonga nijery vahaolana maharitra tao Soanierana Ivongo ny Governora sy ireo tomponandraikim-panjakana ao an-toerana. Raha ny fantatra dia anisan’ny toerana efa tsy tokony hipetrahana intsony ny toerana izay misy ireo mponina manamorona io ranomasina io. Tapaka ary fa hafindra toerana ireo mponina izay mipetraka manamorona ny ranomasina rehetra ao Soanierana Ivongo ireo.
Dolly Rod

Articles similaires

Laisser un commentaire