Sinopharm: hanomboka anio etsy Befelatanana sy HJRA ny fanaovam-bakisiny

  • 4 novembre 2021

Manomboka androany 4 novambra eny amin’ny Vaccinodrome CHUJRA sy CHUJRB ny fanaovam-bakisiny SINOPHARM eto Analamanga araka ny fizaram-baovao avy amin’ny Dr Raharimamonjy Lalie, DSRP Analamanga.

Afaka misitraka izany ny olona 18 taona hatramin’ny 60 taona. Tsy tokony hanao ny vakisiny kosa ny vehivavy bevohoka, ny vehivavy mampinono ary ny olona manana aretina mitaiza.

Efa nahazo fiofanana sy andalam-panaovana fiofanana ny olona rehetra misehatra amin’ny fanaovana ny vakisiny. Ho an’ny vakisiny Janssen dia miisa sivy alina ny efa nisitraka izany hatreto. Natokana ho an’ny olona 18 taona mihoatra izy io. Ho an’ny Astrazeneca, afaka hisitraka ny fatra faharoa ireo vao nahavita ny fatra voalohany rehefa tonga ny vakisiny.

Ho an’ireo nanao ny fatra voalohany tamin’ny volana may izay tokony namita fatra faharoa kosa dia efa tapitra ny fepotoana nanaovana izany.

Partagez :
Mahandry