Seranam-piaramanidina  Ravoraha Sainte Marie : Afaka mandray ireo sidina iraisam—pirenena

  • 15 juillet 2023

Natolotry ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny fomba ofisialy ny 14 jolay 2023 ny fanamarinana amin’ny maha seranam-piaramanidina iraisam-pirenena na ny « certification d’aerodrome » ny seranam-piaramanidina Ravoraha.

Izao no tontosa dia noho ny fahafenoan’ity seranana ity ny fepetra rehetra ahafahany mandray ireo sidina iraisam-pirenena. Ity seranam-piaramanidina Ravoraha ity no seranam-piaramanidina faha-enina nahazo izany “certification ” izany eto Madagasikara.

Ankoatra izay dia notokanan’ny filoha ihany koa ireo jiro manazava ny lalana hizoran’ny fiaramanidina eo am-piaingana sy eo am-pahatongavana amin’ny alina (balisages lumineux de piste).

 

Tsy voafetran’ny andro intsony ireo sidina mihazo ny Nosy Boraha fa afaka mandeha amin’ny ora mampiety ny mpitsidika ka hampiroborobo haingana ny fizahantany izay antom-piveloman’ny ankamaroan’ny mponina ao an-toerana

Partagez :
Mahandry