Sehatry ny mpanoratra :Hobiana sy Andry Elrà, nitafatafa mivantana tamin’ny mpankafy azy tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy 

  • 28 février 2024

Anisany laharampahamehana ho an’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fanomezana sehatra ny mpanoratra, hanandratana avo ny literatiora malagasy.

Androany, i Hobiana sy Andry Elrà, samy mpanoratra no nitafatafa mivantana tamin’ny mpankafy literatiora, tetsy amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy.

Hobiana na Andrianimerina Hobiana, nisehatra tao anatin’ny tontolon’ny soratra nandritra ny 27 taona. Miompana amin’ny haingam-panahy tany aloha. Ny tontolon’ny kanto sy ny tontolon’ny fanahy kosa no niompanany taty aoriana. Boky miisa 5 no navoakany. Misy amin’ireo ny mikasika ny fanabeazana ny ankizy izay mirakitra ny Soatoavina malagasy, sy ny ohabolana. Boky 10 kosa no efa navoakany miaraka amin’ny fiaraha-miasa tamin’ny mpanoratra hafa.

Andry Elrà na Rakotondraibe Andry Lalaina dia mpanoratra sy poety sady mpanao gazety. Tamin’ny taona 1996 no nanomboka niditra an-tsehatra tamin’ny asa soratra. Nanorina ny Havatsa Upem tany amin’ny faritra Itasy ny tenany tamin’ny 1998. In-3 no efa nandray anjara tamin’ny fifaninana iraisam-pirenena mikasika ny tantara an’onjampeo ary nahazoany ny laharana voalohany avokoa izany.

Fanamby manokana napetrany ny hanomezana toerana manokana ho an’ny tontonkalo ka namoahany ny boky milohateny hoe ”Fo matoy”.  Nambaran’izy ireo fa ezaka iray mendri-piderana ny fanomezana sehatra ho an’ny mpaniratra toy izao, hampivelarana ny fitiavana asa soratra sy ny mpanao asa soratra.

Partagez :
Nirinasoa Tafita