Sehatry ny Dihy eto Madagascar : hampafantarina manerana izao tontolo izao amin’ny alalan’ireo masoivoho malagasy.

  • 4 mai 2024

Nankalazaina tamin’ity androany ity ny hetsika fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy eto Madagasikara. Hetsika izay ankalazain’i Madagasikara isan-taona entina hanomezan-danja ny dihy sy ny mpandihy, ny dihy izay tafiditra ao anatin’ny zava-kanto ary afaka havadika ho loharanom-bola mahavelona.

Ny ministeran’ny  Serasera sy ny Kolon-tsaina, amin’ny alalan’ny OFNAC, dia manohy hatrany ny ezaka fampiroboroboana ny ny kolontsaina sy ny zava-kanto mba tsy hisy ho adino ny kanto tsirairay misy eto Madagasikara ary anisan’izany ny dihy. Manohy izany ezaka fampiroboroboana izany ny minisitera mpiahy mba hampivoarana ny lafiny maro momba ny dihy, na ny ara-tsosialin’ireo mpisehatra amin’ny dihy na amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fifampizarana traikefa amin’ny alalan’ny hetsika tahak’izao.

Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny hetsika fankalazana ity andro maneran-tany momba ny dihy ity izay natao teto amin’ny Havoria Anosy ny ministry ny Raharaham-bahiny, izay ministra mpisolo toerana ny ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina ihany koa. Notsindriany nandritra ny lahateniny fa azo atao tsara ny mianatra ho matihanina amin’ny dihy, izay namporisihany ireo tanora izay manam-panirina ny ho matihanina ny amin’ny sehatry ny dihy izany mba hanohy ny fanamafisana ny fahaiza-manao. Azo atao tsara ihany koa hoy izy ny mampafantatra an’i Madagasikara amin’ny any ivelany amin’ny alalan’ny fampahafantarana ny dihy sy ny ezak’ireo mpandihy Malagasy amin’ny alalan’ireo maisohovoho vahiny.

Nahatratra 50 mahery ireo mpandihy nandray anjara tamin’ireo hetsika  nananamarihana ity andro ity izay nisy tamin’ny toerana maro toy ny tao amin’ny kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha, ny nanoloana ny Tranombokim-pirenena, ny teto amin’ny Havoria Anosy izay nampisehoana ireo karazana dihy maro samihafa. Mbola mitohy rahampitso eny Analakely ity hetsika fanamarihana ity.

Partagez :
Mahandry