SEG : « Ry zandary namana, raha hanao ny fomban’ny dahalo, aleo tonga dia miala fa mamono tena ianao »

  • 4 octobre 2022

« Ry zandary namana, raha hanao ny fomban’ny dahalo, aleo tonga dia miala fa mamono tena ianao ary mampijaly ny vady aman-janakao hanati-bary ho anao isan’andro eny am-ponja ». Io no hafatry ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenenana, ny jeneraly Serge Gellé, manoloana ny mbola fisian’ny zandary tsy manaraka ny fitsipi-pifehezana ka miray tsikombakomba tamin’ny tranga fakana ankeriny toy ny tany Anjozorobe ny volana septambra iny.

« Io ilay trafon-kena ome-mahery, … » hoy ny Jeneraly Komandin’ny zandarimariam-pirenena raha nampita izany amin’ireo olom-peheziny. Ny zandarimariam-pirenena dia manentaka koa ny olom-pirenena mba tsy hisalasala hitoroka, miaraka amin’izay mety ho porofo marina, raha mahita tranga fihoaram-pefy ataona zandary, araka ny fanentanana atao.

Partagez :
Mahandry