SECES Antananarivo : Hiato ny fampianarana sy ny ivon-toeram-pikarohana eo amin’ny oniversiten’Antananarivo .

  • 12 juillet 2023

Mbola mitaky ny fandoavana ora ambony tsy voaloa ny sendika hatramin’ny taom-pianarana 2018-2019, fanampiana ara-bola amin’ny fikarohana nanomboka tamin’ny taona 2018 ary koa ny fandaniana didy maromaro mifandraika amin’ny satan’ny mpampianatra mpikaroka.

Nilaza izy ireo fa hitsahatra ny fampianarana sy ny ivon-toeram-pikarohana eto anivon’ny oniversite Antananarivo raha tsy mahazo vahaolana mahafapo izy ireo ao anatin’ny 72 ora. Mitaky ny fametraham-pialan’ny Praiminisitra sy ny  minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ary ny minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Siantifika izany izy ireo.

Milaza ny ministera fa mbola mifantoka amin’ny fanadinana bakalorea izy ary efa nisy ny fepetra noraisina mikasika ny fandoavana ny ora ambony sy ny fialan-tsasatra .

Partagez :
Mahandry