Sava: nandray ny asany ny Goverinora vaovao

- 15 septembre 2023
Vita ny alakamisy 14 septambra 2023 ny famindram-pahefana teo aminy sy ny goverinora mpisolo toerana Randrianasolo Eliahevitra sy ny goverinoran’ny faritra Sava vaovao Seramila Teddy Gervais, natrehin’ny minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana Tokely Justin izay Goverinoran’i SAVA teo aloha.
Tao anatin’ny iray taona sy enim-bolana no nitantana ny Fiadidiana ny faritra Sava ny Goverinora mpisolo toerana. Isan’ny laharam-pahamehana ho an’ny goverinora vaovao ny fanamboarana « boulevard de l’émergence » ao amin’ny distrikan’i Vohémar, ny asa fanamboarana tetezana amin’ny lalana mampitohy ny kaominina Antsirabe-Nord sy Amboangibe Bemarivo Sambava, ny fanaovana lalana rary vato mirefy 500 metatra ao amin’ny kaominina Amboangibe, ny fanaovana trano sekoly manana efitra telo ao amin’ny EPP Andrafainona (Vohémar ) izay sekoly nianaran’ny filoha teo aloha Pr Zafy Albert.
Horaisin’ny faritra an-tanana koa ho izy ny fanamboarana « forage » hamatsiana rano biby fiompy (Omby) ao amin’ny distrikan’i Vohémar hiatrehana ny maintany ho avy. Hohavaozina ny CAPJ amin’ireo distrika efatra; hahazo simenitra 100 isa ireo kaominina mandrafitra ny faritra SAVA ho fampandrosoana ny kaominina Ho an’ny distrikan’Antalaha, hahazo BAC miisa 2 ahafahana mivezivezy ny vahoaka any Cap Est ary zana-trondro 150.000 no haparitaka ao amin’ny faritra SAVA ho fanampiana ireo tantsaha sady fanatsarana ny sehatry ny jono.