Sainte Marie : nisokatra ny Fitsarana ambaratonga voalohany

  • 4 août 2023
Tanteraka androany 4 aogositra 2023 tao Sainte Marie ny fotoam-pitsarana manetriketrika nametrahana amin’ny toerana mahafilohan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany an’i Dama Jeannette Sylvana. Napetraka amin’ny toerana maha tonia mpampanoa lalàna azy niaraka tamin’izany i Bezavavy Lydie Christianna.
Misokatra, araka izany, ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Sainte Marie, faritra Analanjirofo. Tonga nanatrika ny lanonana tany an-toerana ny mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana.
Hanamora sy hampihena ny fahasahiran’ny vahoakan’i Sainte Marie ny fisian’izao fitsarana izao raha tsy maintsy niampita amina nitsaka sambo vao afaka mikarakara taratasy mikasika fitsarana teo aloha.
Partagez :
Romuald