Rugby – Fiadiana ny amboran’i Afrika: laharana fahatelo ny Makis an’i Madagasikara

  • 29 mai 2023
Voahaja ny lojika. Resin’i Afrika Atsimo tamin’ny isa 79 noho 8 ny Makis an’i Madagasikara nandritra ny lalao fahatelo, fiadiana ny amboran’i Afrika taranja baolina lavalava (rugby), izay natao teto Madagasikara. Io    vokatry ny lalao natao ny alahady 28 may io no mametraka ny malagasy ho eo amin’ny laharana fahatelo amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity.
Tsy nahazo ny tapakila ahafahana miatrika ny fiadiana ny ambora eran-tany, araka izany, isika. Eo amin’ny laharana fahatelo i Madagasikara ary nahazo ny medaly alimo. Na Izany aza, mijanona ho ao anatin’ny ekipa A hatrany isika raha miverina ekipa B kosa i Cameroun.
Nitarika tamin’ny isa 33 noho ny 8 ny Afrikanina tatsimo mialoha ny fialahantsasatra. Minitra fahadimy izy ireo no nanokatra ny isa. Teo amin’ny minitra faha-14 ny malagasy no nahazo ny isa voalohany, baolina notsarain’i Zoanah.
Niezaka nanampy  ny isa ho azy ireo kosa ny « Ogres ». Nahazo ny isa 5 kosa ny malagasy, andrana izay nataon’i Zoanah hatrany.
Nandritra ny fizaram-potoana faharoa dia tsy nahatafiditra baolina ny malagasy. Voatsindrin’i Afrika Atsimo tanteraka na dia niezaka nanohitra ireo mpifanandrina amin’ny, izay manana tekinika sy manantombo ara-batana aminy aza ny mpilalaon’ny mpanazatra Ralay. Nandritra ny 15 minitra farany dia nisesisesy ny baolina matin’ny Afrikanina tatsimo.
Nahazo ny medaly volamena, ary tafakatra hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany, diviziona voalohany araka izany ny « Ogres » avy atsy Afrika Atsimo. Ny « Lanterne rouge » avy atsy Kenya kosa no nahazo ny laharana faharoa sy ny tapakila hiatrehana ny amboara eran-tany, diviziona faharoa rehefa avy nandresy ny liona tsy voafolaka avy any Cameroun tamin’ny isa 52 sy 3.
Partagez :
Hasina Rakotoarilina