Culture

Rovan’i Madagasikara : tsy maintsy haverina amin’ny endriny ny Lapa Manampisoa sy ny Tranovola

Ny endriny tany am-piandohana no ho hita eo amin’ny Rovan’i Madagasikara rehefa vita ny fanamboarana ny Lapan’i Manampisoa sy ny Tranovola, hoy ny mpitantanana ny Ofisin’ny Rovan’i Madagasikara (ORMada), Rakotondrabao Aro Ilon’Aina, androany 28 septambra 2022.

Ao anatin’ny andraikitry ny ORMada ny fiarovana ny taotrano sy ny kojakoja voatahiry ao amin’ny Rova, manoloana ny mety ho trangana haintrano sy horohorontany ary loza samihafa. Izany no mahatonga ny fampiasana akora fanorenana mafy ankoatra ny hazo. Na izany aza, tsy maintsy mifototra amin’ny fitahirizana sy fampitana ny harem-bakoka sy soatoavina ao amin’ny Rova ny iraka sahanina.

Izany no tsy maintsy amerenana amin’ny laoniny ny endriky ny Lapa asiana fanarenana, toy ny efa natao atamin’ny Lapan’i Manjakamiadana, hoy ny fanazavana. Nandalo fankatoavan’ny komity siantifika sy ny tekinisianina manokana vao tonga amin’izao dingana izao ny minisitera misahana ny kolontsaina. Nisy ny fakan-kevitra nandritra ny fampahafantarana ny asa atao. Anisan’ny efa hitan’ny tekinisianina tao anatin’izany ny resaka vesatra zakan’iny toerana mbony iny.

“Tsy miditra amin’ny lafiny fady sy finoan’ny tsirairay ny mpitantana ny ORMada. Ny lafiny tekinika toy ny fiarovana ny fotodrafitrasa sy taotrano, ny kojakoja nampiasain’ny mpanjaka ary ny soatoavina sy harem-bakoka tsy hita maso no andraikitry ny Ofisy. Mikasika ny lafiny finoana, ohatra dia, ahitana toe-javatra roa mifanohitra ny ao AnatiRova. Maneho izany ny fisian’ny Fiangonana, izay finoana kristianina, sy ny fombafomba malagasy nifandovana”, hoy ny mpitantana ny ORMada, Rakotondrabao Aro Ilon’Aina.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer