Rovan’i Madagasikara : natomboka ny asa fanarenana anaty hamehana ny tempoly protestanta

  • 30 janvier 2023

 

Tsy niandry ela fa vao avy nankatoavin’ny filan-kevitry ny minisitra farany teo ny fanatanterahana ny asa fanarenana anaty hamehana ny tempoly protestanta (singa iray mandrafitra ny vakom-pirenenana Rovan’i Madagasikara, eny Manjakamiadana, dia natomboka avy hatrany ny asa, ary tonga nitsidika izany ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy, nontronin’ireo taranak’andriana isan-tokony.

Anisan’izany ny fanarenana ny lohan’ny tilikambo izay tsy maintsy hampidinina tsirairay ireo rihana telo mandrafitra izany, ka ho soloina ny vato ratsy, izay vao harafitra vaovao sy hampiakarina indray. Eo koa ny fitsirihana ny olana mikasika ny rano avy ao ambanin’ny Tempoly, tsikaritra fa mitsika amin’ny rindrina ary miteraka hamandoana izany ary miakatra mandoto ny rindrim-bato no sady manakorontana ny fahamarinan-toeran’ny Tempoly. Hisy araka izany asa fitrohana sy fandritana izany rano miandrona sy hamandoana izany.

Manararaotra izao asa fanatsarana izao koa ny minisitera ho fanoloana ireo tafo mitete ary koa ny lakan-drano avy eny ambony. Eo koa ny fanadiovana ny rindrina ivelany rehetra. Ary amin’ny maha vakoka azy dia atao manaraka ny fenitra sy manaja hatrany ny endrika niaingana ny asa fanatsarana izay sambany natao tao anatin’ny 154 taona niorenan’ity fiangonana ao anaty rova ity.

 

Nisolontena ny taranak’andriana nandritra izao fitsidihana nataon’ny minisitra izao ny Princesse Ratsimamanga Claire, ny Princesse Ralandison Ratsimamanga Fenosoa, ny Prince Ratrimoarivony Georges, Georget Étienne (Zazamarolahy), Raoeliarivony Andriantsalama Sitraka (taranak’Andrianampoinimerina), Rakotomalala Michelle (Zanadranavalona), Rakotondramanana Francesca (Andriamasinavalona), Rajaonarivelo Olivier (Andrianamboninolona), Raoelisoa Ratsimihah Lalao (Andriandranando) ary Raobelina Éric (Zana-dRalambo amin’Andrianjaka)

Ireto taranak’Andriana dia mankasitraka ny fandraisana andraikitra noraisin’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ka manohana tanteraka ny asa atao ary miara-manaraka akaiky amin’ny Minisitera ny fizotry ny asa.

Partagez :
Mahandry