Rovan’I Madagasikara : « Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena momba  ny fikojakojana ny harem-bakoka ny fanamboarana natao »

  • 19 juin 2023

Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena momba  ny fikojakojana ny harem-bakoka ny fanamboarana natao tamin’ny Rovan’I Madagasikara araka ny nambaran’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy. Maoderina ny fomba nanamboarana azy, maoderina ny fitaovana nampiasaina , maoderina ny mozea mba ho mora tsidihina kanefa voatazona tanteraka ny endriny fahiny.

Tafiditra tao anatin’ny tanjona tamin’ny fanamboarana ihany koa ny fiarovana ny Rova amin’ireo loza voajanahary mety hianjady aminy. Fiarovana manara-penitra hisorohana ny loza mety hitranga. Nisy ireo akora nanamboarana azy no niova, nisy kosa ireo akora notazomina. Fivoarana manaraka ny toetrandro nakana ny hevitr’ireo mpahay tantara, mpitahiry fomba. Napetraka koa ny hahafahan’ny olona manana fahasembanana mitsidika azy ity.

Mbola mitohy ny asa fanamboarana ho an’ny toerana sasany ao anatiny. “Mariky  ny fiandrianam-pirenena sy ny fandresena miezinezina ny fahavitana nanarina izao toerana izao sy hanokatra azy indray ho azo tsidihin’ny besinimaro”; hoy hatrany ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ny fitokanana.

Misokatra ho an’ny daholobe manomboka androany 19 jona amin’ny 10 ora maraina ny fitsidihana azy 28 taona aty aoriana.

Partagez :
Mahandry