RNS 5 Toamasina – Foulpointe: manomboka ny asa fanamboarana

  • 2 octobre 2022
Efa ratsy sy nampitondra faisana ny mpampiasa lalana amin’iny ilany atsinanan’ny Nosy iny ny lalam-pirenena faha dimy RNS 5, eo amin’ny ampahany mampitohy an’i Toamasina sy Foulpointe. Nampikatso ny fampandrosoana ny fizahan-tany, ny famoaham-bokatra sy ny fitaterana amin’ny endriny rehetra izany. Nanomboka androany 2 oktobra 2022, miroso ny fanamboarana ity lalana ity.
Tao anatin’ny lanonana fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny asa fanamboarana ireo lalam-pirenena simba tamin’ny fandalovan’ny rivodoza, notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, tany Toamasina no nanamarihana izany. Fanarenana ny fotodrafitrasa simba, manomboka eo amin’ny PK 7+000 – PK 9+000 ka hatrany amin’ny PK 44+ 000 sy PK 55+000 ary fanamboarana tetezana miisa 4 atao azo ifanenana no tanterahina, hoy ny minisiteran’ny Asa Vaventy.
Haharitra 12 volana ny asa, izay sahanin’ny orinasa WIETC. Ny tetikasa “Projet de Développement Durable des Routes » (PDDR) sy « Contingency Emergency Response Component » (CERC), izay vatsin’ny Banky iraisam-pirenena vola, mitentina 100 000 000 dolara, no tompona antoka amin’ireo asa fanarenana ireo.
Lalam-pirenena iraika ambin’ny folo no amboarina amin’ny alalan’ity tetikasa ity, dia ny RNP2, RNP 4, RNP6, RNP7, RNS 11A, RNS 5, RNS 12, RNS 34, RNT 3A, RNT 23A ary ny RNT24.
Partagez :
Mahandry