RNM : nandray ny toerana maha tale vaovao azy Raherinandrasana Tharcisius

  • 2 février 2023
Nandray ny toerana maha talean’ny Radio Madagasikara azy Raherinandrasana Tharcisius androany 2 febroary rehefa avy nankatoavin’ny filan-kevitry ny minisitra ny 1 febroary ny fanendrena azy.
Tsy vaovao amin’ny asa eo anivon’ny haino aman-jerim-panjakana intsony ny tenany ary efa nisahana andraikitra manandanja na teo anivon’ny televiziona na teo anivon’ny radio izay “taninketsa” niaingan’i Tharcisius Raherinandrasana”
Efa nisahana ny fitaleavana iraisam-paritr’Analamanga sy Vakinankaratra ny tenany ary lehiben’ny Sampan-draharahan’ ny fampalalam-baovao teo anivon’ny Televiziona Malagasy. Ny traikefany, ny fahavononany no anisan’ny antony nanosika ny minisitera hanendry azy amin’io toerana io.
Nanatrika ny lanonana famindram-pitantanana ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ralaimazava Johary, nisolo tena ny minisitra Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana.
Partagez :
Mahandry