RN7: Efa misokatra amin’ny ampahany

  • 3 janvier 2024

Efa misokatra tsikelikely ho an’ny fiara madinika sy ny fiara fitateram-bahoaka ny lalam-pirenena fahafito RN7, eo amin’ny halavirandalana PK 416+300, mandalo ny Fokontany Mahazengy amin’izao fotoana. Miandry ny fametahana ny ” pont modulaire” vao afaka mandeha ny Fiara vaventy. Tombanana ho vita mialohan’ny sabotsy ny asa.

“Raha hita fa mety hahazaka ny fiara vaventy kosa ny asa fanotofana atao amin’izao dia afaka manapakevitra ny hampandehanana azy ireo mialohan’izay ny tomponandraikitra” hoy ny Minisitry ny Asa vaventy, ny Kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja Livah. Tapaka nanomboka omaly harivan’ny 2 janoary vokatry ny orambe nikija noho ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro ity lalana ity.

Any an-toerana manaraka ny fivoaran’ny asa ny minisitry NY Asa Vaventy. Manentana ireo mpampiasa lalana hanana faharetana mandritra ny asa fanarenana ny Minisiteran’ny Asa Vaventy.

Partagez :
Sissie Raveloson