RN6 : asiam-panamboarana ny lalana mampitohy an’Ambondromamy sy Ambanja

  • 8 octobre 2022
Vaovao mahafaly ho an’ny mampiasa ny lalam-pirenena faha enina, indridra fa ireo mpihazo an’i Nosy Be sy Ambanja. Asiam-panamboarana ny lalam-pirenena faha enina  (RN 6) mampitohy an’ Ambondromamy sy Ambanja, araka ny vaovao nampitain’ny minisiteran’ny Asa vaventy. Nidina teny an-toerana, nijery sy nanamarika ireo asa hotanterahina ireo ny talem-paritra Sofia sy Diana ary ny solontenan’ny orinasa izay hanao ny asa.
Maro ireo asa fanamboarana sy fanarenana hatao amin’ity lalam-pirenena ity izy tena mampitaraina ireo mpampiasa azy.  Anisan’izany ireto ampahan- dalana ireto :
▪︎ PK 45+300 Miarinarivo, fanamboarana ny arabe.
▪︎ PK 46+600 fanotorana ny lavaka sy famerenana ny arabe ho tara.
▪︎ PK 62+400 Bekoratsaka, fanamboarana ny arabe.
▪︎ PK 77+200: fanamboarana ny fidirana amin’ny tetezana Andranomena.
▪︎ PK 96+200 Tsangabato, fanarenana ny arabe ho tara.
▪︎ PK 155+400, fanamboarana ny fidirana amin’ny tetezana Port Bergé sy fanotorana ny lavaka amin’ny arabe.
▪︎ PK 412+000 sy PK 416+600 Ankaramibe, asa fanarenana ny arabe
▪︎ PK 443 ao Mahilaka, fanamboarana sy fanarenana ny arabe izay atao tara.
Ny Banky iraisam-pirenena sy ny Fanjakana Malagasy no fantatra fa mamatsy vola ny asa fanamboarana amin’ny alalan’ny tetik’asa PDDR (Projet de Développement Durable du Secteur Routier) singa CERC (Composante d’Intervention d’Urgence et de Contingence). Haharitra 12 volana ny asa  izay hiandraiketan’ny orinasa ISO Construction.
Partagez :
Mahandry