Economie

RN4 : hisy fivilian-dalana sy rindrim-bato eo amin’ny PK371+900 ao Maevatanàna

Ho fiarovana ny fotodrafitrasa amin’ny lalam-pirenena faha-4 (RN4), mampitohy an’i Maevatanàna sy Ambondromamy, eo amin’ny PK 371+900 dia nanambara ny minisiteran’ny Asa vaventy fa hisy ny fanamboarana rindrim-bato mirefy 70 m ary manana haavo 4m eo amin’io toerana io.

Tsy maintsy napetraka koa ny fivilian-dalana mba hahafahana mamita ny asa ara-dalàna.

Nanamafy ny fanentanana ny mpampiasa lalana mba hanaraka ny toromarika ny minisiteran’ny Asa vaventy nandritra ny fitsidihana notarihin’ny minisitra Hatrefindrazana Jerry androany.

Hatao tara manontolo io ampahan-dalana ratsy io araka ny fanazavana. Nanome toromarika ho an’ny orinasa koa ny minisitra mba hanaovana fotodrafitrasa mateza sy mifanaraka amin’ny fenitra takina.

Articles similaires

Laisser un commentaire