RN 44 Amboasary – Vohidiala : hafainganina ny asa

  • 17 octobre 2021
Nanome toromarika vaovao hanafainganana ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha 44 (PK 60+000 hatramin’ny PK 133+000) mampitohy an’i Amboasary sy Vohidiala ny minisitry ny Asa vaventy, Hatrefindrazana Jerry, noho ny fahataran’ny asa. Nomena fe-potoana 1 volana sy tapany (45 andro) ny orinasa, ijerena ny fanafainganany ny asa, anarenana ny fotoana very; ary hiverina any an-toerana ny minisitra aorian’izany. Mila ampitomboina koa, hoy izy, ny fitaovana ampiasain’ny orinasa.
Tamin’ny 12 oktobra 2020 no nanomboka ny asa, ary tokony ho vita ny 12 oktobra 2022; izany hoe tokony ho efa misasaka, saingy mbola ampahany kely no vita amin’izao. Nambaran’ny tomponandraikitry ny orinasa fa mbola an-dalana ny fitaovana sasany, ka izany no maha tara ny asa. Hojerena ao anatin’io fe-potoana nomena io ny fahamarinany sy ny fivoaran’ny asa, ahafahana manatratra ara-potoana ny fahavitan’ity RN44 ity, izay tafiditra anatin’ny veliranon’ny ny filoha Andry Rajoelina.
Niara-dia tamin’ny minisitra, nijery ifotony ity lalana ity androany 17 oktobra ny tale jeneralin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena, Augustin Andriamananoro.
Partagez :
Mahandry