Rivodoza Alvaro : nihena ny heriny

  • 2 janvier 2024

Efa mihena tanteraka ny herin’ilay rivodoza Alvaro  ary mihena araka izany ihany koa ny rotsakorana izay miaraka aminy; any amin’ny manodidina ny ivony sisa no ahitana orana betsaka. 55 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra mitsitokotoko 65 Km/ora manakaiky ny foibeny.

Mbola ahiana hitoetra ny rotsak’orana matevina miaraka aminy indraindray ary hiitatra miandalana amin’ny faritry ny afovoan-tany sy ny ilany Atsimo-Atsinanan’ny Nosy.

Araka izany dia niova ho filazana Fahamailona miloko manga ny Distrak’i Morondava, Manja, Morombe, Toliara I-II, Mahabo, Beroroha, Ankazoabo ary Sakaraha.

Partagez :
Mahandry