Rivo-doza mety hiforona : tsy hisy fiantraikany eto Madagasikara

  • 31 janvier 2023
Mety hisy ny fiforona rivodoza ao amin’ny ranomasimbe Indianina amin’ny faran’ny herinandro na amin’ny fiandohan’ny herinandro raha ny vinan’ny toetrandro ny 31 hatramin’ny 5 febroary navoakan’ny Foibe famantarana ny toetrandro androany 31 janoary. Voalazany fa tsy hisy kosa ny fiforonana manodidina an’i Madagasikara ato anatin’ny dimy andro ho avy.
Hikisaka any avaratra, avaratra andrefana sy afovoany andrefana ny oram-baratra. Hitranga izany noho ny fitoeran’ ny varatraza amin’ny ilany atsinanan’ny nosy. Ho mando kokoa izany any amin’ny faritra afovoany atsinanana.
Mbola hahazo orambaratra ihany koa ny afovoan-tany ato anatin’ny roa andro voalohany. Hikisaka any avaratra, avaratra andrefana sy afovoany andrefana kosa izany manomboka ny Alarobia.
Noho ny varatraza dia handrahona sy hanorana miatoato ny ilany atsinanan’ny nosy manontolo ka hisongadina kokoa izany any afovoany atsinanana. Ho maina ny andro amin’ny ankapobeny any amin’ny faritra sisa.
Hisy fidinanana ny maripana ambony any amin’ny ilany atsinanana.
Manodidina ny 14 – 25°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 23 – 34°C ny tolakandro.
Partagez :
Mahandry