Rivo-doza Alvaro : Vinavinaina hiditra an-tanety eo anelanelan’ny amin’ny 06 ora sy 11 ora alina.

  • 1 janvier 2024

Vinavinaina hiditra an-tanety eo anelanelan’ i Belo sur mer sy Salary/Toliara ?? ny rivo-doza Alvaro eo anelanelan’ny amin’ny 06 ora sy 11 ora alina raha toa ka efa manomboka mikasika ny morontsirak’i Menabe sy Atsimo Andrefana ny rahona mialoha azy.

Tsiahivina fa tany amin’ny 220 Km andrefana somary avaratra andrefan’i Morombe no nisy foibeny tamin’ny 08 ora maraina teo. Mikisaka miantsinana somary atsimo atsinanana izy ka mahafaka 16 Km isan’ora. Mitombo hery miandalana izy ka niakatra ho 80 km/ora ny rivotra entiny ary arahina tafiotra 110 Km/ora manakaiky ny foibeny.Tombanana hitondra tafiotra manodidina ny 90 hatramin’ny 120 Km/ora izy rehefa tafiditra an-tanety. Entanina araka izany ireto Distrika ireto mba hampihatra ny fepetra mikasika ny filazana loza: Filazana loza manambana miloko mavo : MORONDAVA, MANJA, MOROMBE, TOLIARA I-II, MAHABO, BEROROHA, ANKAZOABO ary SAKARAHA.

Iangaviana koa ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Maintirano sy Toliara mba tsy hiandriaka mandrapahalasan’ny loza tanteraka. Entanina ny rehetra mba hanaraka mandrakariva ny toro-marika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.

Partagez :
Mahandry