Rindram-baiko hikirakirana ny lisi-pifidianana: nakana fankatoavan’ny mpisehatra

  • 29 septembre 2022

Nampahafantarina sy nakana ny fankatoavan’ny mpisehatra avy amin’ny antoko politika sy fiarahamonim-pirenena ary mpiara-miombona antoka samihafa androany alakamisy 29 septambra ny rindram-baiko SIGLE (Système Informatisé de Gestion de la Liste Electorale) hampiasain’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI) amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, izay hanomboka afaka roa andro (ny 1 oktobra izao). Nanaiky ny fetezan’izany ny ankamaroan’ny mpisehatra.

Nisy anefa ny adihevitra momba ny ahiahy amin’ny mpampiasa azy sy ny fanamarihana mikasika ny maha rindram-baiko efa nampiasaina tamin’ny fifidianana teo aloha azy ity. Nambaran’ny tekinisianina fa arakaraka ny ampiasana azy no ahafehezana ny fitaovana informatika tahaka ity. Izany no nahafahana nitondra fanatsarana mahomby amin’ny fisorohana ny anarana mety hiverimberina anatin’ny lisitra sy ny lafiny maro smaihafa.

Efa nampahafantarina teo anoloan’ny tekinisianina avy amin’ny mpisehatra samihafa izy ity ny 26 septambra teo. Noraisina ny soso-kevitra fanatsarana, hoy ny CENI. Ho fisorohana ny mety ho tsy fifankahazoan-kevitra no antony nanaovana ny fampahafantarana ampahibemaso in-droa miantoana mialoha ny hampiasana azy, hoy ny filohan’ny CENI. Azo antoka, hoy izy, ity fitaovana ity, ary tokony hatoky ny tekinisianina isika.

Partagez :
Mahandry