Reniranon’i Sisaony : olona 250 no afindran’ny mpamonjy voina eny Ambohidava Ampitatafika, nanomboka alina

  • 27 janvier 2023
Mitoka-monina tanteraka Ambohidava Ampitatafika vokatry ny fiakaran’ny rano be loatra, araka ny vaovao azo avy amin’ny BNGRC.
Zary lasa Nosy kely mihitsy ityt toerana ity taoria’ny fahavakisan’ny fefilohan’ I Sisaony tamin’ny rivodoza tamin’ny 2022, ary miakatra be ny rano eny an-toerana amin’izao fotoana izao.
Fokontany 2 no lasibatra Anjanamaitso sy Ambohidava ka olona 250 no ezahina avoaka tao, araka ny vaovao nampitain’ny BNGRC. Nanomboka alina tontolo ny fanalana ireo olona mbola mipetraka eny an-toerana )ary mitohy hatramin’izao maraina izao.
Iarahan’ny BNGRC miasa amin’ny CUA, ny mpamonjy voina ,ny distrikan’Atsimondrano, ny Corps de protection civile ary ny Zandarimariam-pirenena,ny fanalana ireo olona ireo. Hialana amin’ny fitokana-monina sy ny mety fahasahiranan’ireo mponina ireo mo no tena tanjona amin’izany.
Partagez :
Mahandry