Social

Renirano artifisialy : hampitomboana ny isany

Miisa 12 ny renirano artifisialy misy eto Madagasikara izay mamokatra rano 500 tapitrisa metatra toratelo ka ny 225 tapitrisa metatra toratelo amin’ireo dia avy ao amin’ny renirano Tsiazopaniry izay efa tamin’ny taona 1956 no nananganana azy. Mba ahafahana mametraka vahaolana maharitra amin’ny rano dia hampitomboina ny isan’ireo renirano artifisialy ireo hoy ny minisitry ny rano sy ny fidiovana ary ny fahadiovana, Rakotondrazaka Adrien Ladislas nandritry ny tafa tamin’ny mpanao gazety androany faha 11 novambra.

Ankoatra izany dia anisan’ny vahaolana lavitra ezaka ny  fikajiana ny ala sy fiadiana amin’ny doro tanenty ary ny fitrandrahana ny rano ambanin’ny tany raha ny nambarany. Tafiditra ao anatin’ny vahaolana fohy ezaka kosa ny fanadiovana ny lakan-drano efa misy ao anatin’izao vanim-potoana ny haintany izao.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer