Rapeto sy Rasoalao : Seho miavaka no nanehoana ny tantarany

  • 26 août 2021

Fampivadiana ny tononkalo, ny mozika, ny dihy sy ny fampirantiana akanjo, zavatra azo ampiasaina amin’ny andavanandrom-piainana no nampisehoana androany nandritra ny varavarana misokatra hanehoana ny tantaran- dRapeto sy Rasoalao.
Manatanteraka atrikasa famoronana zava-kanto vita amin’ny vy, lamba soga, taratasy sy plastika tsy ampiasiana intsony i Maromaitso sy i Veloary mandritra ny 2 volana, etsy amin’ny Fondation H Andraharo. Natao indrindra hampahafantarana ny tantaran’ireo kalaza taloha, amin’ny alalan’ny fifangaroan-java-kanto ankehitriny ny hetsika. Maro ny dingana arahin’izy roa hanehoana ny tantara. Anisan’izany ny fanamboarana ireo fitafiana manakaiky ny nananan- dRapeto tamin’izany fotoana, sy ny fitafiana nanaovan’ireo zanany. Asongadin’izy ireo amin’izany ny fidongian’ireo zana- dRapeto ny volana mba homeny azy ireo.

Raha tsiahivina, ANDRIAMORATSIRESY Ariry fantatra amin’ny anarana hoe Maromaitso, dia mpandihy matihanina, mifototra amin’ny kanto ankehitriny. Sady mpampianatra mandihy, no mpively aponga ihany koa izy, ary mpamorona. Ny sehatry ny poezia kosa no ahafantarana an’i Dimbiarivelo, na i Veloary. Mpandihy sady mpanjaitra manana famoronana mampiavaka azy ihany koa anefa izy, amin’ny alalan’ny fampiasany ireo akora efa tsy ampiasaina intsony. Nifanaraka ny hanao izao atrikasa izao ireto mpanakanto roa ireto, noho ny tsy fahafantaran’ny ankamaroan’ireo tanora ny fisiana sy ny tantaran’izany Rapeto sy Rasoalao izany. Androany, nisy ny varavarana misokatra nahafahan’ny rehetra nijery sy nandroso soso-kevitra mba hivoahan’ny tantara tsara, ho azon’ireo rehetra tonga hanatrika ny fampirantiana. Aorian’ny atrikasa, misokatra ho an’ny rehetra ny fampirantiana manomboka ny 9 septambra ka hatramin’ny 29 oktobra.

Partagez :
Mahandry