Rakotoniaina Narindra Navalona : Tonia mpampanoa lalàna vaovao ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo

  • 23 mai 2023

Notanterahina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny tribonaly Anosy ny alatsinainy 22 Mey 2023 lasa teo ny lanonam- pitsarana fametrahana ny Tonia mpampanoa lalàna vaovao : Ramatoa Rakotoniaina Narindra Navalona. Tonga nanatrika izany lanonam-pitsarana izany ny minisitry ny Fitsarana sady Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana , Ramatoa Andriamantenasoa Landy Mbolatiana sy ny filohan’ny Antenimierandoholona, Andriamatoa Razafimahefa Herimanana.

Fanamby napetraky ny Tonia mpampanoa lalàna vaovao na “procureur de la République” ny hamongotra ny asa ratsy rehetra mifandray sy mifanitsy amin’ny andraikitra sahaniny eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany; toy ny ady amin’ny kolikoly sy ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina.

Ramatoa Rakotoniaina Narindra Navalona no Tonia mpampanoa Lalàna fahafito ambin’ny folo eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany eto Antananarivo.

Partagez :
Mahandry