Raharaha fanolanana miampy famonoana zaza 11 taona : tany Imady no tratra ilay nahavanon-doza

  • 11 juillet 2022
Voasambotry ny Polisim-pirenana Ambositra (DRSP Amoron’i Mania) tao Imady tamin’ny Sabotsy teo ilay lehilahy 57 taona namono sy nanolana ilay zazavavy kely 11 taona tao Atsinanan’i Vinany, Ambositra araky ny fampitam-baovao avy amin’ny Polisim-pirenana tamin’ny alalan’ny CP RAKOTOARISOA Lia Melchi Elvire Izay Chef de cabinet eo anivon’ny DRSP Amoron’i Mania.

CP RAKOTOARISOA Lia Melchi Elvire

Voasambotra tao alohan’izany ihany koa ilay Ramatoa mpiraitsikombakomba vadin’ny rahalahin’ny ilay rangahy nahavanin-doza izay fiaraha-miasa amin’ny olona tsara sitrapo no nahafahana nisambotra azy ireo.

Tamin’ny famotorana natao dia nambaran’izy ireo fa samy mamo nisotro zava-pisotro misy alikaola izy ireo.
Nampidirina am-ponja vonjimaika omaly Alahady izy roa ireo tao aorianan’ny famotorana natao azy
Partagez :
Mahandry