Rabesandratana Eric : “Manampaniriana ny handresy isika…”

  • 6 octobre 2021

Nitondra fanazavana ny amin’ny fahaiza-manaon’ny Barea ny mpanazatra Rabesandratana Eric androany  naoloana ireo mpanao gazety any Kinshasa. Nasiany resaka ihany koa ny fahaizan’ny Léopards ny Congo. “Manana ekipa tsara ny Repoblika Demokratikan’i Congo izay ahitana mpilalao mandray anjara amin’ny Ligue des Champions sy amin’ny Ligue Europa.

« Manampaniriana ny handresy isika saingy mila manana fanetren-tena manoloana ny mpifanadrina”, hoy ny mpanazatran’I Barea, Rabesandratana Eric nanoloana ireo mpanao gazety androany. “Efa miha-lehibe ireo mpilalao mandrafitra ny Barea, efa andalam-pamaranana ny filalaovana ny ankamaroany. Tsy maintsy misy ny fanavaozana ny ekipam-pirenena ary ao anatin’ny fitiliana ireo tanora izahay ankehitriny ”.

Nasiany resaka ihany koa ny lalao tamin’ny CAN 2019 araka ny fanontanian’ireo mpanao gazety any Kinshasa. Nahavita fahagagana ny Barea tamin’izany raha ny nambarany. Androany dia tsy maintsy manaiky sy manontany tena isika ary miverina miasa , hoy hatrany ity mpanazatra ity. “Sarotra anefa izany satria maro ireo toe-javatra nisy fiovana.

Eto aho hitondra fanamby lehibe. Ny tanjoko dia ny ahitana indray an’i Madagasikara ary hitazomana ny fahaiza-manao tamin’ny CAN 2019. Tsy nanova ireo ekipa isika tamin’ny lalao roa na telo kanefa fotoana izao izay tsy hananana fisalasalana indindra amin’ny fomba fiasan vaovao. ” Isaky ny lalao dia mahita mpilalao vaovao isika. Miezaka mitazona ireo rafitra ihany anefa, mandritra ny fanovana, mba hirosoana hatrany. Ilaina ny faharetana eo amin’ireo mpankafy sy ireo tompon’andraikitra. ” Faharesena indroa nifanesy izay no azontsika kanefa nandritra ireo lalao roa ireo dia niroso hatrany. Raisina ho isan’ny fanomanana ihany ity fifanintsanana ny fiadiana ny amboara eran-tany ity fa ny tena tanjona dia ny CAN 2023 “.

Tetsy ankilany, nilaza ny mpanazatra congolais Hector Cuper fa vonona tsara hiaona amin’ny Madagasikara rahampitso izy ireo ary hanao izay tratra hakana fandresena na dia misy mpilalao tsy afaka milalao aza ireo nantsoina. ”Mahay baolina ny Malagasy ary tsy azo ambanina satria efa niezaka nijery ny lalao nataony izahay” hoy ny namabarany .

Partagez :
Mahandry