PTASO: Fotodrafitr’asa maro hatsangana any Atsimo Andrefana

  • 22 janvier 2024

Fotodrafitrasa maro no hotanterahana any Toliara amin’ity taona 2024 ity; ho fanatanterahana ny tetik’asa PTASO (tetikasa fampandrosoana ny fanodinana ara-indostria ny vokatry ny fambolena any amin’ny faritra atsimo andrefana). Anisan’izany ny fananganana trano efatra fitehirizam-bokatra, ny fanamboarana lalana ambanivohitra mirefy 50km, ny fanarenana ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Indostria ary fananganana tsena roa ho an’ny vokatry ny fiompiana.

Marihina fa nolaniana nandritra ny fivorian’ny komity mpitantana ny Tetikasa natao tany Toliara ny alakamisy 18 Janoary 2024 lasa teo ny tetibola ho an’ny taona 2024 (PTBA 2024).

Nampitaina tamin’ny mpandrindra ny tetik’asa araka izany ny toromarika avy amin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy mba hametrahana lamina ao anatin’ny 100 andro hitadiavana mpanosika matihanina (développeur) ho an’ny PTASO raha toa  ka amin’ity taona ity no tokony hanomboka  ny asan’io “développeur” io.

Partagez :
Mahandry