Social

« Tany iray, trano iray » : 3 016 ireo nisoratra anarana ao Mahajanga

Nifarana omaly ny fisoratana anara amin’ny fisitrahana ny programme « Tany iray, trano iray » (OTOH) ao Ampaharemahitsy Mahajanga.  Miisa 3 016 ireo namaly ny antso nandritra ny fisoratana anarana araka y fampitam-baovao avy amin’ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy  ny Toeram-ponenena.

Tao anatin’ny mangarahara tanteraka ny fandraisana ny fisoratana anarana hoan’ireo izay te hisitraka ny programa. Nanomboka tamin’ny 31 oktobra ny fisoratana. Maro ny olona no nangetaheta te hisitraka tany amin’ny sarany takatry ny fahefa-mividy, ka antony nampitomboana ny andro nisoratana anarana.

Misy ny fepetra napetraky ny fanjakana amin’ity  programa ity, ka ireo izay mahafeno izany, mbola tsy manana tany no ho laharam-pahamehana ary monina ao amin’ilay toerana misy ny programa « tany iray, trano iray ».

Noho ny mpisoratra anarana marobe dia hisy ny fisarihana hatao ampahibemaso ka aorian’izay dia manao fifanarahana mazava amin’ ny fanjakana ireo hahazo ny tany. Manangana efitra iray miaraka amin’ny trano fivoahana sy fidiovana,  rehefa vita izany dia omena azy tanteraka ny “titre” ao anatin’ny fe -potoana voafaritra.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer