PRODUIR : hamafisina ireo fefiloha manamorona ny reniranon’Ikopa sy Sisaony

  • 1 octobre 2021

Hamafisina ireo fefiloha manamorona ny reniranon’Ikopa sy Sisaony raha toa ka efa an-taonany maro no tsy nisian’izany.  Ireny fotodrafitrasa ireny anefa dia natao hiarovana ny tananan’Antananarivo sy ny manodidina amin’ny tondra-drano.

Ankehitriny dia tsy maintsy miroso amin’ny asa fanarenana satria maro ireo toerana ahitana fihotsahana sy fahalemena. Izany dia vokatry ny tsindry eo ambonin’ny fefiloha ateraky ny fanorenana trano tsy ara-dalana, ny fanatobiana biriky sy ny fivezivezen’ny sarety.

Eo ihany koa ny fitrandrahana fasika tafahoatra ka manjary kaohi’ny riaka ny moron’ny fefiloha ary mitarika ny fahasimbany.

Tafiditra amin’ny tetikasa PRODUIR moa ity fanavaozana ny fanamafisana ny fefilohan’Ikopa sy Sisaony ity

Partagez :
Mahandry