1 minute 1 an
Hasondrotra ho 250 000 ariary ny karama farany ambany, ho an’ny sehatra tsy miankina, raha ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, androany. Mihatra ho an’ireo karama farany ambany izany fisondrotana izany. Miankina amin’ny sehatr’asa, araka ny sokajiny avy ny karama any amin’ny orinasa tsy miankina. Hihatra avy hatrany amin’ity volana may ity izany, hoy izy.
Hasondrotra hatramin’ny 25% kosa ny sokajin-karama voalohany, ho an’ny mpiasam-panjakana, 13% ny an’ny anelanelany ary 5% ny an’ny sokajin-karama fahafolo.

Laisser un commentaire