“Prize money” tamin’ny CHAN : 50% ho an’ny mpilalao sy ny staff.

  • 8 mai 2023
Taorian’ny antso nataon’ny filoham-pirenena omaly teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, nandritra ny fanolorana medaly ho an’ireo atleta mendrika nanomboka ny taona 2019, dia namoaka ny lisitry ny fizarana ny « prize money » na ny valin-kasasarana azo tamin’ny CHAN ny Federasiona malagasy momba ny baolina kitra androany alatsinainy 8 may.
« Manao antso avo anareo mpitantana ao amin’ny Federasiona aho hoy ny Filoha omaly. Ireo mpilalao ireo dia nanome ny tsara indrindra tany aminy, ka nahazoantsika ireny vokatra ireny » hoy hatrany izy. Nambarany fa gaga ny tenany rehefa nahare fa tsy nozaraina araka ny tokony ho izy io valin-kasasarana ho an’ny mpilalao sy ny staff io.
Raha tsiahivina dia resabe tao anaty tambazotran-tserasera io olana io. Nanao fitarainana sy nitaky ny hitsinjarana io vola io araka ny tokony ho izy avokoa ireo mpilalao nandray anajara tamin’ity fiadiana ny tompodakan’i Afrika, natao tany Algerie, ny volana janoary teo ity.
Androany, navoaka ny fitsinjarana ny “Prize Money”, vola fankasitrahana omen’ny CAF ny ekipam-pirenena, izay tonga tamin’ny dingana famaranana ny CHAN 2022, natao tany Alzeria, ny Federasiona malagasy ny baolina kitra na FMF. 24 ora taorian’ny nanomezan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina toromarika ny minisitry ny Fanantajahan-tena hijery akaiky io fitsinjarana io, manoloana ny fitarainan’ireo mpilalao no nandraisan’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny FMF io fanapahan-kevitra io.
Raha tsiahivina, 500 000 dolara eo io fankasitrahana io ho an’ny Barea CHAN, izay nahazo medaly alimo. Araka ny fitsinjarana dia ny 50% no omena ireo mpilalao, 30% ho an’ny FMF, 10% ho an’ny klioba, 5% ho an’ny Ligy ary 5% ho an’ny OPL.
Partagez :
mialy