Praiminisitra Ntsay Christian : « fanakorontanana zotram-pifidiana no misy eto Madagasikara « 

  • 21 septembre 2023

Fanakorontanana zotram-pifidiana no misy eto Madagasikara ankehitriny fa tsy krizy politika, hoy ny fanehoan-kevitry ny praiminisitra Ntsay Christian ny 20 septambra 2023. Finiavana hamboly korontana, hoy izy , ny ataon’ny kandida sasany izay manakihana ny rafitra mpikarakara ny fifidianana, ary tonga hatramin’ny fanoherana ny fanapahan-kevitry ny HCC izay rafi-pitsarana mamoaka didy tsy azo ivalozana eto amin’ny firenena.

Antso avo nataon’ny Praiminisitra ny tokony hanajana ny Andrimpanjakana sy Sampana rehetra mikirakira ny fifidianana, toy ny CENI sy HCC. Mila omena hasina ireny rafitra ireny ao anatin’ny firosoana amin’ny fifidianana. Adidin’ny tsirairay koa, hoy izy, ny manohana azy ireny mba hahatanteraka ny asany, araka ny tokony ho izy.

Anisan’ny hevi-dehibe ifotoran’ny Governemanta , hoy izy, ankoatra izay, ny hanampy ny rafitra sy rantsa-mangaikany rehetra hahatanteraka ny fifidianana. Eo koa ny filaminan’ny vahoaka. Anisan’ny fototra ny fanajana ny Lalàmpanorenana, izay mahatonga antsika hifidy filoham-pirenena ny 9 novambra mba hanana filoha amin’ny janoary 2024.

Mikasika ny fihaonana tamin’ny mpiara-miombona, izay nahitana masoivohon’ny firenena vahiny tandrefana 7 ny ny 18 septambra teo dia nambaran’ny Praiminisitra fa manaja ireo foko-kevitry Governemanta malagasy ireo izy ireo. Tany mandala ny demokrasia koa ireo ka manome lanja ny fahefan’ny vahoaka hametraka filoham-pirenena voafidy ara-dalàna.

Notsindrian’ny Praiminisitra fa tsy misy mahazo tombony amin’ny fivoahana ny voalazan’ny Lalàmpanorenana.

Partagez :
Romuald