Polisy monisipaly miisa 100 no hampidirin’ny kaominina Antananarivo renivohitra

  • 17 septembre 2021

Polisy monisipaly miisa 100 no hampidirin’ny kaominina Antananarivo renivohitra amin’ity taona ity, hanampy isa ireo 350 efa amperinasa. Lehilahy ny 75 amin’ireo, ary vehivavy ny 25 ambiny. Hifarana ny 3 desambra 2021 ny fara-fandraisana antotan-taratasy ilaina amin’izany, ary haterina eny amin’ny lapan’ny tanàna Analakely, ao amin’ny rihana fahatelo.

Misy ny fepetra takiana amin’izany, toy ny:

  • – fizaham-pahasalamana eny amin’ny BHM Isotry
  • – fananana mari-pahaizana BEPC
  • – fananana fahafahana mitondra fiara
  • – manana salan-taona 18 hatramin’ny 30 taona
  • – tsy fitondrana vohoka (6 volana ny zandriny indrindra raha manan-janaka)
  • – tsy misy fahasembanana
  • – mirefy 1,70m raha lehilahy, 1,65m kosa raha vehivavy
  • – tera-tany malagasy, ary mponina eto Antananarivo.

Tsy maintsy manao adina ara-panatanjahantena sy am-bava avokoa ny kandidà tsirairay avy. Hita amin’ny peta-drindrina eny amin’ny fokontany ny taratasy rehetra ilaina. Afaka manantona ny kaominina ihany koa ireo mila fanampim-panazavana.

Partagez :
Mahandry