Social

Polisy Monisipaly : Hetsika ara-panatanjahantena no nanamarihana ny faha 22 taona nijoroany

Androany talata 27 septambra, nomarihina tamin’ny hetsika ara-panatanjahan-tena ny tsingerin-taona faha 22 nisian’ny vondron’ny Polisy Monisipaly. Teny amin’ny Toby Anosipatrana no nanaovana ny fankalazana, androany, raha toa ka efa nanomboka telo volana lasa izany.

Dihy, fifaninana tsipy kanetibe sy basketball ary ireo karazana fanatanjan-tena samihafa no natao nandritra izany.

Fanatanjahan-tena no nosafidiana noho izy ilaina sy iainan’ny polisy isanandro, ary manan-danja sy ilaina be amin’ny fanatanterahana ny asany amin’ny andavanandro.  »Zava-dehibe, ary nisongadina nandritra ny taona lasa ny fitomboan’ny isa tao anatin’ny vondrona », hoy ny lehiben’ny vondrona monisipaly, ny kaomisera Ostrom Whenss, androany, nandritra ny fandraisam-pitenenany. Ankoatra izay,  »nitombo ny fari-pahaizana sy ny fahalalan’izy ireo ».

Efa nivoaka koa ny sata mifehy azy ireo, ahazoana vokatra tsara amin’ny asany. Tsiahivina fa miisa 350 ankehitriny ireo polisy monisipaly eto an-drenivohitra, ary hivoaka tsy ho ela ireo 100 fanampiny. Efa mandeha koa ny fisoratana anarana amin’ny ahafahana miditra ho polisy monisipaly amin’izao. 200 no horaisina amin’izany. Natao indrindra hanampiana ireo efa amperinasa izany, mba hahazoana vokatra tsara kokoa. Teny filamatry ny vondrona ny hoe  »Fahavononana, Filaminana, Fandrosoana ».

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer