Olona 4 indray no matin’ny pesta tany Ambalavao

  • 11 septembre 2021
Taorian’ny Kaominina Miandrandra dia nahitana trangana pesta vaovao ihany koa tao amin’ny distrikan’Ambalavao, faritra Mahatsiatra Ambony izay nahafatesana olona efatra tao anaty fianakaviana iray.
Ny iray tamin’izy ireo dia voamarina fa pestan’ny aretin-tratra. Ho an’ny Kaominina Miandrandra dia tsy nahitana tranga vaovao intsony, 21 tamin’ireo narary no efa sitrana ary iray mbola manaraka fitsaboana.
Manoloana izany dia manentana ny olona ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka mba hanatona ny toeram-pitsaboana avy hatrany raha misy fambaran’aretina hafahafa.
Partagez :
Mahandry