Paositra Malagasy : tsy fakan’ny fanjakana vola

  • 5 janvier 2024

« Mbola tsy naka vola tao, ary  tsy haka vola ao mihitsy ny fanjakana » hoy ny tale jeneralin’ny Paositra Malagasy androany 5 janoary nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety.

Manampy ny Paositra Malagasy fa tsy ny fanjakana no maka vola ao amin’ny Paositra Malagasy no misy amin’izao fotoana izao. Ny manao tantsoroka arak’izay azo ataony ho an’ny Paositra Malagasy no ataony. Manome asa ny Paositra Malagasy ny fanjakana ohatra amin’izany ny fanomezana ny asa fandoavana vatsim-pianarana sy ny fandoavana ny fisotroandrononon’ny zokiolona hoy hatrany ity tale jeneraly ity.

Orinasam-panjakana 100% ary mpiasam-panjakana 100% ny  mpiasa ao amin’ny Paositra Malagasy

Partagez :
Sissie Raveloson