Paosita Malagasy : 3,7 tapitrisa  ny hajia lafo tamin’ny taona 2020

  • 28 octobre 2021

“Diso hevitra ireo milaza fa nilaozan’ny toetrandro ny hajia” hoy ny Tale jeneralin’ ny Paositra, Malagasy Ranarison Richard. Tamin’ny taona 2020, hajia miisa 3,7 tapitrisa no natonta ary lafo avokoa.

Nivoitra nandritra ny fampahafantarana ny hajia vaovao izay navoakan’ny paositra malagasy tetsy amin’ny Carlton Anosy androany 28 oktobra.

Sary varika dimy hita eto amin’ny nosy no sary  amin’ny hajia vaovao. Hita amin’ny hajia koa ny sarin’ny Profesora Jonah Ratsimbazafy, manam-pahaizana manokana momba ny varika eto madagasikara.

Mifanindry andalana amin’ny andro natokana ho an’ny varika eto Madagasikara izao famoahana hajia izao. Tanjona ny anomezan-danja ny manam-pahaizana malagasy sy ny ahafantaran’izao tontolo izao fa manankarena zavaboary ny malagasy.

1.000.000 isa ny hajia hatonta. Heverina ho tapitra lafo ao anatin’ny herintaona ireo.

Partagez :
Mahandry