Orinasa malagasy : mila ampahafantarina amin’ny alalan’ny hetsika

  • 29 novembre 2023

Nisy fiantraikany tamin’ny olon-drehetra indrindra fa ireo mpandraharaha ny fisian’ny valan’aretina COVID-19. Ilaina ny fampahafantarana bebe kokoa ny orinasa mba ho fampiroboroboana ny tontolon’izany fandraharahana izany eto Madagasikara, ary hanomezana sehatra indrindra ireo mpandraharaha madinika izay manana faniriana haneho ny heviny sy ny fahaiza-manaony ary indrindra hampitomboana ny mpanjifa.

Tsy ny orinasa rehetra anefa no manana fahefana ara-bola handray anjara amin’ny hetsika rehetra izay tsy hitondra tombony ho azy. Tsy ampy koa ny tohana ara-bola hahafahan’ireo mpandraharaha madinika manao izany.

Mba hanampiana ireo orinasa vonona ny hiarina dia namoaka ny tetiandro mikasika ny hetsika ho karakarainy ny taona 2024 ny Madavision izay mifandraika indrindra amin’izany. . « Hiompana kokoa amin’ny fanampiana ireo mpandraharaha madinika ny fandaharan’asany ho an’ny taona 2024 » raha ny nambaran-dRamatoa Ramanantsoa Harilala, izay Talean’i Madavision.

Voalohany ny “salon de l’Innovation et de la Technologie” izay hampiratiana ireo zava-baovao amin’ny lafiny rehetra na amin’ny lafiny fahasalamana, fizahantany, sakafo, fampianarana, fambolena, fiompiana sy ny maro hafa. Ny 12 ka hatramin’ny 14 aprily no hanatanterahana izany eny amin’ny CCI Ivato.

Ankoatra izay, ny “Festival international de la Gastronomie” izay hiarahana amin’ny mpahandro maro eto an-toerana sy avy any ivelany. Hetsika hahitana ireo mandray anjara rehetra mandrapahatongan’ny sakafo any am-bava. Ohatra amin’izany ny fitaovam-pihinanana sy ny fitaovana fikarakarana rehetra ary ny akora ilaina. Ny 10 ka hatramin’ny 12 may no ho tanterahana any amin’ny CCI Ivato. Farany ny « Grande braderie de Madagascar » izay ho tanterahana ny volana may.

Partagez :
Natacha Hasimbola