Orange kitra 2021 : hanomboka ny 20 novambra izao

  • 18 novembre 2021

Ekipa 16 no handray anjara amin’ny lalao baolina kitra lalaovin’olona fito, izay nomena ny anarana hoe orange kitra. Natokana ho an’ireo ankizy 12-13 taona izany. Hozaraina vondrona efatra izy ireo izay ahitana ekipa efatra avy. Hotanterahina ny 20 sy 21 novambra 2021 ao amin’ny kianja Elgeco Plus, ny dingan’ny fifanintsanana ary ny 27 sy 28 novambra 2021 ny lalao famaranana.

Ity andiany amin’ny taona 2021 ity dia nambaran’ny mpikarakara fa entina hanasongadinana ny hetsika mifandrohy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ary koa entina manabe ny tanora momba izany. Hahazo amboara momba ny tontolo iainana araka izany izay ekipa handresy amin’ny Orange Kitra 2021. Ankoatra izay koa dia hahazo tapakila ahafahana miatrika ny dingan’ny famaranana ny fiadiana ny tompondakan’ny Afrika izay atao any Cameroun (CAN 2022).

Partagez :
Mahandry