OMDA : nandray ny asany ofisialy ny tale vaovao

  • 19 avril 2023

Tontosa androany alarobia maraina ny fifamindram-pahefana teo amin’ny tale vaovaon’ny Ofisim-pirenena misahana ny zon’ny mpamorona (OMDA), Joelinirina Rarivoson, sy ny tale mpisolo toerana, Randrianirina Rogesselin.

Araka izany, dia nandray ny andraikiny amin”ny fomba ofisialy manomboka androany ny tale vaovao, izay nanambara fa “hiroso” amin”ny fampiroboroana ny asa eo anivon’ity fitaleavana ity.

Ny volana febroary 2022 no nesorina tamin’ny toerany ny talen’ny OMDA, araka ny fanapahana teo anivon’ny filankevitry ny minisitra. Nanomboka teo dia ny tale mpisolo toerana no niandraikitra ny asa. Noho ny maha mpisolo toerana azy dia tsy afaka nizara ny vola hoan’ny zon’ny mpamorona ity fitaleavana ity. Tetsy andaniny, tapitra ny fe-potoam-piasan’ny mpikambana tao amin’ny filankevim-pitantananan’ny OMDA.

Anisan’ny asa miandry ity tale vaovao ity ny fandoavana ny zon’ireo mpamorona mpikambana ao amin’ny OMDA ary ny fidirana misimisy kokoa amin’ny lainy nomerika amin’ny fanangonana ny zon’ireo mpamorona, mpikambana ao.

Partagez :
Mahandry